Ny fankalazana ara-tsakramenta ny misterin’ny Paka.

Laharana 1135 amin’ny Katesizy

Ny fahazoana an-tsaina momba ny fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta aloha no nampahafantarin’ny katesezy momba ny litorzia (tao amin’ny toko voalohany). Tamin’izany fahaizana izany no nihariharian’ny zava-baovaon’ny fankalazana azy. Ny horesahina amin’ity toko ity àry izao, dia ny fankalazana ny sakramentan’ny Fiangonana. Hodinihina aloha, amin’ny alalan’ny hamaroan’ny lovam-panahy amin’ny litorzia, izay iombonana amin’ny fankalazana ireo sakramenta fito ; fa izay toetra manokana an’ny tsirairay amin’izy ireo dia haseho any aoriana. Ity katesezy fototra amin’ny fankalazana ara-tsakramenta ity no hamaly ireo fanontaniana voalohany izay apetraky ny mpino amin’ireto foto-dresaka ireto :

- Iza no mankalaza ?
- Atao ahoana ny fankalaza ?
- Rahoviana no mankalaza ?
- Aiza no mankalaza ?

Loharano ôfisialy ↗