VI. Ny fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao
Laharana 1044 amin’ny Katesizy
Ao amin’io “tontolon’ny zava-drehetra vaovao” (Apôk 21,5), ilay Jerosalema any an-danitra io, dia hanana ny fonenany eo anivon’ny olombelona rehetra Andriamanitra. “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo ; ny fahafatesana, tsy hisy intsony izany ; ny tomany, ny kiakiaka sy ny fahoriana, tsy hisy intsony izany, satria efa lasa izao tontolo izao tranainy” (Apôk 21,4)[96].