Ny dikan’ny fahafatesana kristianina

Laharana 1019 amin’ny Katesizy

I Jesoa, Zanak’Andriamanitra, dia niaritra an-tsitrapo ny fahafatesana ho antsika, tao anatin’ny fankatoavana tanteraka sy an-kalalahana ny sitrapon’Andriamanitra, Rainy. Tamin’ny fahafatesany no nandreseny ny fahafatesana, ka amin’izany no anokafany ho  an’ny olombelona rehetra ny fahazoam-pamonjena.

Loharano ôfisialy ↗