Ny dikan’ny fahafatesana kristianina

Laharana 1013 amin’ny Katesizy

Ny fahafatesana no fiafaran’ny fivahinian’ny olombelona eto an-tany, fiafaran’ny fotoanan’ny fahasoavana sy ny famindram-po izay natolotr’Andriamanitra azy mba hanatontosany ny fiainany teto an-tany araka ny fandaharan’Andriamanitra sy mba hanapahany hevitra ny amin’ny anjarany farany. Rahefa nifarana “ilay hany zotram-piainantsika teto an-tany”[53], tsy hiverina intsony amin’ny fiainana hafa eto an-tany isika. “Tsy maty afa-tsy indray mandeha ihany ny olombelona”(Heb 9,27). Tsy misy “fiverenan-ko nofo indray” aorian’ny fahafatesana.

Loharano ôfisialy ↗