“ Izaho mino ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty ”
Laharana 990 amin’ny Katesizy
Ny teny hoe “nofo” dia enti-milaza ny olombelona amin’ny toetra maha-osa sy mahamety maty azy[15]. Ny “fitsanganan’ny nofo ho velona”, dia midika fa, aorian’ny fahafatesana, tsy ny ain’ny fanahy tsy mety maty ihany no hisy, fa koa ny “vatantsika mety maty” (Rôm 8,11) dia ho velona indray.