“ Izaho mino ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty ”
Laharana 988 amin’ny Katesizy
Ny Izaho mino kristianina – fiekena ny finoantsika an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, sy ny asany mahary, mamonjy ary manamasina – dia tonga amin’ny fara tampony amin’ny fanambaràna ny fitsanganan’ny maty ho velona amin’ny farandro, ary ny fiainana mandrakizay.