I. Batemy tokana ho amin’ny famelana ny fahotana

Laharana 980 amin’ny Katesizy

Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fivalozana no ahafahan’ny vita batemy mihavana indray amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana :

Marina ny an’ireo Aba miantso ny fivalozana hoe “Batemy miasa mafy”[4]. Io sakramentan’ ny Fivalozana io, ho an’ireo izay lavo indray taorian’ny Batemy, dia ilaina ho amin’ny famonjena, tahaka ny ilana ny Batemy ho amin’izany koa, ho an’ireo izay tsy mbola nateraka indray[5].

Loharano ôfisialy ↗