Ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana
Laharana 85 amin’ny Katesizy
“Ny adidy aman’andraikitra hivaofy amin’ny tena heviny marina ny Tenin’ Andriamanitra voasoratra na nampitaina am-bava, dia nankinina irery ihany amin’ny Toniam-pampianarana velon’ny Fiangonana, ka amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy no ampiasan’ny mpitondra mahefa izany”[71], izany hoe ireo Eveka miombona amin’ny dimbin’i Piera, Evekan’i Rôma.