Miroso ho amin’ny firaisana

Laharana 822 amin’ny Katesizy

“Mahakasika ny Fiangonana manontolo : ny mpino sy ny mpiandry ondry”[284],ny mameno ny saina hahatanteraka ny firaisana. Kanefa koa tsy maintsy “mahatsiaro tena fa izany fikasana masina izany, izany hoe ny fampihavanana ny kristianina rehetra ho anatin’ny firaisana maha-tokana sy itambaran’ny Fiangonan’i Kristy, dia mihoatra ny tanjaky ny olombelona sy ny herim-pahaizany”. Izany indrindra no hametrahantsika ny fanantenantsika manontolo “amin’ny vavak’i Kristy ho an’ny Fiangonana, ao amin’ny fitiavan’ny Ray ny amintsika, ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina”[285].

Loharano ôfisialy ↗