Ny ratran’ny firaisana
Laharana 819 amin’ny Katesizy
Fanampin’izany, “maro amin’ireo singafototry ny fahamasinana sy ny fahamarinana”[271] no misy ivelan’ny fetra hita maso ao amin’ny Fiangonana katôlika : “ny Tenin’Andriamanitra voarakitra an-tsoratra, ny fiainam-pahasoavana, ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, ny fanomezana anaty hafa avy amin’ny Fanahy Masina ary ny singafototra hita maso hafa koa”[272]. Mampiasa ireny Fiangonana sy ankohonam-piangonana ireny ho fitaovam-pamonjena ny Fanahin’i Kristy, ka ny heriny dia avy amin’ny hafenoan’ny fahasoavana sy ny fahamarinana nankinin’i Kristy tamin’ny Fiangonana katôlika. Ireny soa rehetra ireny dia avy amin’i Kristy sy mitondra mankany Aminy[273], ary amin’ireny ihany no mitaky ny “firaisana katôlika”[274].