Ny ratran’ny firaisana
Laharana 817 amin’ny Katesizy
Raha ny marina, “efa hatrany am-piandohana no nisy fisaratsarahana tao amin’io Fiangonana tokana tsy manam-paharoa an’Andriamanitra io, fisaratsarahana izay nolavin’ny apôstôly mafy tokoa sy nomelohiny ; teny am-pamakivakiana ny taona teny dia nipoitra ny fisarahan-kevitra lehibe kokoa, ka nampisy ireo vondrom-piangonana be dia be niendaka tanteraka tao amin’ny fiombonan’ny Fiangonana katôlika, izay indraindray nipoitra avy amin’ny fahadisoan’ny olon’ny an-daniny sy ny olon’ny an-kilany”[267]. Ny fisaraham-bazana izay mandratra ny firaisan’ny Vatan’i Kristy (avahana amin’izany ny hevi-diso momba ny foto-pinoana, ny fivadiham-pinoana sy ny fisaraham-pinoana[268]) dia tsy nisy raha tsy noho ny fahotan’ny olombelona:
Izay ahitana ny fahotana, dia eo koa ny fitsitokotokoana maro be, eo ny fisaraham-pinoana, eo ny fampianaran-diso momba ny foto-pinoana, eo ny fifanoherana ; fa izay ahitana ny hatsaram-panahy, dia eo koa ny firaisana, ny fiombonana izay nahatonga ny mpino rehetra tsy hanana afa-tsy vatana iray sy fanahy iray[269].