I. Iray ny Fiangonana
Laharana 815 amin’ny Katesizy
Inona avy ireo fifamatoram-piraisana ireo ? “Ambonin’ny zavatra rehetra [dia] ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy” (Kôl 3,14). Kanefa ny firaisan’ny Fiangonana mivahiny ety an-tany dia iantohan’ireo fifamatoram-piombonana hita maso koa :
- ny fiekena ny finoana tokana noraisina avy amin’ny apôstôly;
- ny fankalazana iombonana amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ Andriamanitra, indrindra amin’ireo sakramenta;
- ny fifandimbiasana maha-apôstôly amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Filaharana, mitana ny fihavanana maha-mpiray tam-po ny fianakavian’ Andriamanitra[264].