… nitohy teo amin’ny fifandimbiasana maha-apôstôly
Laharana 78 amin’ny Katesizy
Izany fampitam-pampianarana velona, tanteraka ao amin’ny Fanahy Masina izany, no antsoina hoe Lovam-pampianarana, noho izy miavaka amin’ny Soratra Masina, na dia mifamatotra mafy aminy aza. Amin’ny alalany “ny Fiangonana no mampaharitra tsy tapaka ny fitambaram-pampianarany, ny fiainany ary ny fanompoany ara-pivavahana, sy mampita amin’ny taranaka mifandimby izay rehetra maha-izy azy, izay rehetra inoany”[63]. “Manamarina ny fisiana manan-kerin’io Lovam-pampianarana io ny fampianaran’ny Aba masina, ka ny harena avy amin’izany dia miampita eo amin’ny fanaovana ny asa mbamin’ny fiainan’ny Fiangonana izay mino sy mivavaka”[64].