Ny Fanahy Masina – Fanomezan’Andriamanitra
Laharana 735 amin’ny Katesizy
Nomeny tamin’izay ny “antoka” na “voaloham-bokatry” ny Lovantsika[108] : ny Fiainana sahala amin’ny an’ny Trinite Masina izay mitia “tahaka ny itiavany antsika”[109]. Io Fitiavana io (fitiavana araka ny 1 Kôr 13) no fototry ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy, azo tanterahina noho isika “nahazo hery, dia ny an’ny Fanahy Masina” (Asa 1,8).