Ny Pantekôty

Laharana 732 amin’ny Katesizy

Tamin’io andro io no nambara manontolo ny Trinite Masina. Hatramin’io andro io, ny Fanjakana nolazain’i Kristy dia misokatra ho an’ireo izay mino Azy : amin’ny fanetren-tenan’ny nofo sy amin’ny finoana no efa andraisan’ izy ireo anjara sahady amin’ny fiombonana amin’ny Trinite Masina. Amin’ ny fahatongavany, ary tsy mitsahatra izany, no ampidiran’ny Fanahy Masina an’izao tontolo izao ao amin’ny “fotoana farany”, ny fotoanan’ny Fiangonana, ilay Fanjakana efa nolovàna, nefa tsy mbola tomombana :

Nahita ny Fahazavana tena izy izahay, nandray ny Fanahy avy any an-danitra izahay, nahita ny finoana marina izahay : mitsaoka ny Trinite tsy azo sarahina  izahay  satria Izy  no namonjy anay[107].

Loharano ôfisialy ↗