Joany, Mpialoha làlana, Mpaminany sy Mpanao batemy

Laharana 726 amin’ny Katesizy

Amin’ny fiafaran’io fanirahana ny Fanahy io, manjary “Ravehivavy”, Eva vaovao “renin’ny velona rehetra”, Renin’i “Kristy manontolo”[94] i Maria. Tahaka ny maha-eo azy miaraka amin’ny Roa ambin’ny folo lahy, “niray fo, naharitra nivavaka” (Asa 1,14), amin’ny mazava atsinanan’ny “fotoana farany”, no hisantaran’ny Fanahy izany ny marainan’ny Pantekôty miaraka amin’ny fampisehoana ny Fiangonana.

Loharano ôfisialy ↗