Ny Fanahin’ny fampanantenana

Laharana 706 amin’ny Katesizy

Na tsy araka ny fanantenana maha-olombelona aza, dia nampanantena taranaka an’i Abrahama Andriamanitra, ho vokatry ny finoana sy ny herin’ ny Fanahy Masina[58]. Amin’io taranany io no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany[59]. I Kristy io taranany io[60], izay ny fandrotsahana ny Fanahy Masina avy ao Aminy no “hamory ho antokony iray ny zanak’Andriamanitra izay efa niparitaka”[61]. Tamin’ny fampanantenana natao tamim-pianianana[62], no efa nampanantenan’Andriamanitra ny fanomezana ny Zanany malalany[63] sy ny fanomezana ny “Fanahin’ny Fampanantenana (…) izay (…) manomana ny fanavotana ny Vahoaka nofidin’Andriamanitra ho Azy” (Efez 1,13-14)[64].

Loharano ôfisialy ↗