Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina
Laharana 699 amin’ny Katesizy
Ny tanana. Amin’ny fametrahan-tanana no anasitranan’i Jesoa ny marary[40] sy itsofany rano ny ankizy madinika[41]. Amin’ny anarany, hanao toraka izany koa ny apôstôly[42]. Mbola tsaratsara kokoa, fa tamin’ny fametrahan-tanan’ny apôstôly no nanomezana ny Fanahy Masina[43]. Ny Taratasy ho an’ny Hebrio dia manao ny fametrahan-tanana ho anisan’ny “andalana fototry” ny fampianarany[44]. Izany famantaram-pandrotsahana ny Fanahy Masina manan-kery tsy hay tohaina izany dia mbola tanan’ny Fiangonana amin’ny epikilezin’ireo sakramenta.