Ny fanehoana an’ohatra ny Fanahy Masina
Laharana 697 amin’ny Katesizy
Ny rahona sy ny hazavana. Tsy azo sarahina ireo fanehoana an’ohatra roa ireo amin’ny fisehoan’ny Fanahy Masina. Hatramin’ny fisehoan’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha, ny Rahona, izay mbetika maizina, mbetika mazava, no nanehoana an’Andriamanitra velona sady mpamonjy, amin’ny fanaronana ny voninahiny ambony tsy taka-polopolorina : tamin’i Môizy tany an-tendrombohitr’i Sinaia[32], tao amin’ny Tranolay Fihaonana[33] ary nandritra ny dia tany an-tany efitra[34] ; niaraka tamin’i Salômônina nandritra ny fitokanana ny Tempoly[35]. Ary dia notanterahin’i Kristy tao amin’ny Fanahy Masina ireny tandindona ireny. Ity farany ity izay tonga tao amin’i Maria Virjiny sy “nanaloka azy” mba hampitoe-jaza azy sy hiterahany an’i Jesoa[36]. Tany an-tendrombohitry ny Fiovàn-tarehy, Izy no “avy tampoka tao amin’ny rahona ka nanarona” an’i Jesoa, Môizy ary Elia, Piera, Jakôba ary Joany, ary “nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe : “Ity no Zanako malalako, henoy Izy” (Lk 9,34-35). Farany, dia mbola io Rahona io ihany no “nanakona an’i Jesoa, ka tsy hitan’ny mason’ny” mpianatra, tamin’ny andron’ny Fiakarana any an-danitra[37], sy haneho Azy ho Zanak’Olona ao amin’ny voninahiny, amin’ny Andron’ny Fahatongavany[38].