I. Ny iraka iraisan’ny Zanaka sy ny Fanahy

Laharana 689 amin’ny Katesizy

Ilay izay nirahin’ny Ray ao am-pontsika, ny Fanahin’ny Zanany[7], dia Andriamanitra marina tokoa. Noho Izy iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka, dia tsy azo sarahina amin’izany Izy, na ao amin’ny Fiainana lalin’ny Trinite izany na amin’ny fanomezam-pitiavany an’izao tontolo izao. Kanefa amin’ny fitsaohana ny Trinite Masina, mamelombelon’ aina, iray fombam-pisia-maha-izy sy iray tsy mivaky, dia manambara ampahibemaso ny fiavahan’ny Olona Telo koa ny finoan’ny Fiangonana Rahefa maniraka ny Teniny ny Ray, dia mandefa lalandava ny Fofon’ainy : iraka iraisana izay mampiavaka ny Zanaka sy ny Fanahy Masina kanefa tsy azo sarahina. Marina fa i Kristy no miseho, Izy, ilay Endrika hita maso maneho an’Andriamanitra tsy hita maso, nefa ny Fanahy Masina no manambara Azy.

Loharano ôfisialy ↗