Ny Fitsapan-toetra faran’ny Fiangonana

Laharana 677 amin’ny Katesizy

Tsy hiditra ao amin’ny voninahitry ny Fanjakan’Andriamanitra ny Fiangonana, raha tsy amin’ilay Paka tampony izay hanarahany ny Tompony ao amin’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona[631]. Tsy amin’ny fandresena ara-tantara eo amin’ny Fiangonana araka ny fandrosoana miakatra izany no hahatanterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra[632], fa amin’ny fandresen’ Andriamanitra ny fitroatra faran’ny ratsy[633] izay hampidina avy any an-danitra ny Vadiny[634]. Ny fandresen-dehiben’Andriamanitra ny amin’ny fikomian’ny ratsy dia haka endriky ny Fitsaràna farany[635], aorian’ny fihovitrovitry ny  maha-izao tontolo izao voarindra an’ity tany mandalo ity[636].

Loharano ôfisialy ↗