Ny Fitsapan-toetra faran’ny Fiangonana
Laharana 675 amin’ny Katesizy
Alohan’ny fahatongavan’i Kristy, dia tsy maintsy mandalo fitsapan-toetra farany, izay hanozongozona ny finoan’ny mpino maro be, ny Fiangonana[626]. Ny fanenjehana izay manjohy ny fivahiniany eto ambonin’ny tany[627], no hampiharihary ny “misterim-paharatsiana” amin’ny endriky ny famitahana ara-pivavahana mitondra vahaolana hita maso ho an’ny olona amin’ny olam-piainan’izy ireo, noho ny fivadiham-pinoana amin’ny marina Ny famitahana ara-pivavahana tampony dia ny an’ny Antikristy, izany hoe ny an’ny fampanantenana mesia sandoka izay ny olona ihany no manome voninahitra ny tenany eo amin’ny toeran’Andriamanitra sy ny Mesiany tonga nofo[628].