… eo am-piandrasana ny haneken’ny zavatra rehetra Azy
Laharana 672 amin’ny Katesizy
I Kristy, talohan’ny Fiakarany any an-danitra, dia nilaza marina fa tsy mbola izao no fotoanan’ny fananganana amim-boninahitra ny Fanjakan’ny Mesia nandrasan’i Israely[610], izay tsy maintsy hitondrana ho an’ny olombelona rehetra, araka ny voalazan’ny mpaminany[611], ny filaminana mandrakizay ao anatin’ny fahamarinana sy ny fitiavana ary ny fiadanana. Ny fotoana anio, araka ny Tompo, no fotoanan’ny Fanahy sy ny fijoroana vavolombelona[612], kanefa koa fotoana mbola isehoan’ny “fahasahiranana” (1 Kôr 7,26) sy ny fitsapan’ny ratsy[613] izay tsy mitsitsy ny Fiangonana[614] ary misantatra an’ireo ady atrehina amin’ny andro faramparany[615]. Koa fotoana fiandrasana sy fiaretan-tory izany[616].