Efa manjaka sahady i Kristy amin’ny alalan’ny Fiangonana …
Laharana 670 amin’ny Katesizy
Tafiditra amin’ny fahatontosany ny fandaharan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny Fiakarana any an-danitra. Efa ao amin’ny “ora farany” isika (1 Jo 2,18)[599]. “Efa tonga ho antsika àry izany ny fotoana farany. Efa azo tsy mimpody intsony ny fanavaozana an’izao tontolo izao, ary ny tena marina dia efa atao mialoha sahady ankehitriny : satria, efa eto an-tany ny Fiangonana no miravaka fahamasinana tsy mbola lavorary, nefa tena izy”[600]. Ny Fanjakan’i Kristy dia efa mampiseho sahady ny fisiany eto an-tany amin’ny alalan’ireo famantarana mampitolagaga[601] izay manampy ny fanambaràn’ny Fiangonana momba izany[602].