“ Niakatra any an-danitra i Jesoa , mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, Ray Mahefa ny zavatra rehetra”

Laharana 661 amin’ny Katesizy

Mifamatotra lalina amin’ilay voalohany ity dingana farany ity, izany hoe tamin’ilay fidinana avy any an-danitra tanteraka tamin’ny Fahatongavana ho nofo. Ilay izay “avy ao amin’ny Ray” irery no afaka “miverina mankany amin’ny Ray”, dia i Kristy izany[584]. “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ny Zanak’olona izay nidina avy tany an-danitra” (Jo 3,13)[585]. Ny olombelona, raha amin’ny herin’ny tenany fotsiny, dia tsy ho tafiditra ao an-Tranon’ny Ray[586], sy tsy hahazo ny fiainana mbamin’ny hasambaran’Andriamanitra. I Kristy irery ihany no afaka mamoha izany fidirana izany ho an’ny olombelona, “mba hampatoky antsika, rantsambatany, fa hanaraka Azy Lohantsika sy Fiandohantsika any amin’izay efa niakarany hialoha lalana antsika isika”[587].

Loharano ôfisialy ↗