Paragrafy 1. Nidina tany ambanin’ny tany i Kristy
Laharana 633 amin’ny Katesizy
Ny fonenan’ny maty izay nidinan’i Kristy maty, dia antsoin’ny Soratra Masina hoe : ambanin’ny tany, Seoly na Hadesy[521], satria izay rehetra mitoetra ao dia tsy afaka mahita an’Andriamanitra[522]. Toy izany, eo am-piandrasana ny Mpanavotra, no toe-javatra misy amin’ireo maty rehetra, na olon-dratsy na olo-marina[523], izay tsy midika fa mitovy anjara izy ireo, araka ny nasehon’i Jesoa tamin’ny fanoharana momba an’i Lazara mahantra noraisina teo “an-tratran’i Abrahama”[524]. “Soritana mazava izany, fa ireo nanana toe-panahy masina, izay niandry, teo an-tratran’i Abrahama, ny Mpanafaka azy ireo, no nahafahan’i Jesoa-Kristy, fony Izy nidina tany ambanin’ny tany”[525]. Tsy nidina tany ambanin’ny tany tsy akory i Jesoa, mba hanafaka ao an’ireo olom-bery[526], na handrava ny afoben’ny fahaverezana mandrakizay[527], fa mba hanafaka ny olo-marina izay nialoha Azy[528].