Teo amin’ny Hazofijaliana no tanterak’i Jesoa ny soron’ny Tenany
Laharana 617 amin’ny Katesizy
“Tamin’ny fijaliany masina, teo amin’ny hazon’ny Lakroà, no nanaovany antsika ho mendrika ny fanamarinana”, izany no ampianarin’ny Kônsily tao Trente[489], amin’ny fanoritana ny toetra tsy manam-paharoa ny soron’i Kristy ho “foto-pamonjena mandrakizay”[490]. Koa, manaja ny Lakroà ny Fiangonana amin’ny fihiràny hoe : “Arahaba, ry Hazofijaliana, ry hany fanantenanay ! ”[491]