Ny fiadian’aina tao Getsemania
Laharana 612 amin’ny Katesizy
Ny kalisin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay natolotr’i Jesoa mialoha tamin’ny Sakafo farany, nanolorany ny Tenany[468], dia noraisiny teo an-tanan’ny Ray, avy eo, tao Getsemania niadiany aina[469], ho “fanekeny hatramin’ ny fahafatesana” (Filip 2,8)[470]. Nivavaka i Jesoa nanao hoe : “Raiko ô, raha azo atao, aoka hesorina amiko ity kapaoka ity...” (Mt 26,39). Izany no nanehoany ny fomba aman-toetra maha-olombelona Azy, nahatahotra ny fahafatesana. Satria, ny fomba aman-toetra maha-olombelona Azy, toy ny antsika, dia natao ho amin’ny fiainana mandrakizay ; fanampin’izany, ny tsy itoviany amin’ny antsika, dia ny Azy lavorary tsy manam-pahotana[471], dia ny fahotana mahatonga ny fahafatesana[472] ; fa indrindra, nozakainy tao amin’ny maha-Olona-Andriamanitry ny “Tompon’ny Aina” (Asa 3,15), "Ilay Velona" (Apôk 1,17)[473], ny toetra amam-pomba maha-olombelona Azy. Ny fanekeny tamin-tsitrapo maha-olombelona Azy, mba hahatanteraka ny sitrapon’ny Ray[474], no nanekeny ny fahafatesany amin’ny maha-mpanavotra azy, mba “hitondrany ny fahotantsika ao amin’ny Vatany teo amin’ny hazo” (1 Pi 2, 24).