Miandany an-kalalahana amin’ny fitiavam-panavotan’ny Ray i Jesoa

Laharana 609 amin’ny Katesizy

Tamin’ny fiandanian’i Jesoa tao am-pony maha-olombelona Azy ny fitiavan’ny Ray ny olombelona, no “nitiavany azy ireo hatramin’ny  farany” (Jo 13,1) “satria tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ireo izay tiany” (Jo 15,13). Araka izany, tamin’ny fijaliana sy tamin’ny fahafatesana, ny maha-olombelona Azy dia nanjary fitaovana tsy voafatopatotra sy lavorary amin’ny fitiavana maha-Andriamanitra Azy izay mankasitraka ny famonjena ny olombelona[461]. Satria, nanaiky tamin-kalalahana hijaly sy ho faty Izy noho ny fitiavana ny Rainy sy ny olombelona izay sitraky ny Rainy hovonjena : “Tsy misy maka ny aiko Amiko, fa ny Tenako  ihany no mahafoy azy” (Jo 10,18). Avy amin’izany ny fahafahana ambony indrindra ny Zanak’Andriamanitra raha nandroso ho amin’ny fahafatesana ny Tenany[462].

Loharano ôfisialy ↗