Fanatitra ho an’ny Ray ny fiainan’i Kristy manontolo

Laharana 607 amin’ny Katesizy

Izany faniriana hiandany amin’ny fandaharan’ny Rainy ombam-pitiavana hanavotra izany no manentana ny fiainan’i Jesoa manontolo[454], satria ny fijaliam-panavotany no anton’ny Fahatongavany ho nofo : “Raiko  ô, vonjeo  Aho ho afaka amin’ity ora ity ! Nefa izao indrindra no nahatongavako ho  amin’izao ora izao” (Jo 12,27). “Tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy ?” (Jo 18,11). Ary koa teo amin’ny Hazofijaliana, talohan’ny “hahatanteraka ny zavatra rehetra” (Jo 19,30),  dia hoy Izy : “Mangetaheta Aho” (Jo 19,28).

Loharano ôfisialy ↗