III. Jesoa sy ny finoan’i Israely an’Andriamanitra Tokana sady Mpamonjy
Laharana 594 amin’ny Katesizy
Nisy asa nataon’i Jesoa, toy ny famelana ny fahotana, izay nampiseho fa Izy mihitsy no ilay Andriamanitra Mpamonjy[409]. Ny Jody sasany, tsy nankato an’ilay Andriamanitra tonga Olombelona[410], izay nihevitra Azy ho olombelona manao ny Tenany ho Andriamanitra[411], dia nitsara Azy ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra.