II. I Jesoa sy ny Tempoly
Laharana 585 amin’ny Katesizy
Teo an-katoky ny fotoana hijaliany anefa, dia nambaran’i Jesoa ny haharava io trano goavana sady marevaka io, izay tsy hisy vato havela hifanongoa eo aminy[372]. Hita eto amin’izany ny filazana ny famantarana ny andro farany izay hanomboka miaraka amin’ny Pakany manokana[373]. Kanefa izany faminaniana izany no notaterin’ny vavolombelona tsy marina tamin’ny fomba niova endrika, rahefa nofotorana tao amin’ny mpisorombe i Jesoa[374], sy antony nanevatevana Azy nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana Izy[375].