II. I Jesoa sy ny Tempoly

Laharana 583 amin’ny Katesizy

I Jesoa, toy ireo mpaminany talohany, dia nampianatra ny amin’ny fanajana fatratra ny Tempolin’i Jerosalema. Tao no nanoloran’i Josefa sy i Maria Azy, efapolo andro taorian’ny nahaterahany[366]. Fony Izy roa ambin’ny folo taona, nanapa-kevitra Izy hijanona ao an-Tempoly mba hampahatsiahy ny ray aman-dreniny fa tsy maintsy manao ny raharahan’ny Rainy Izy[367]. Niakatra tany Izy, fara fahakeliny isan-taona, mba hamonjy ny fetin’ny Paka, nandritra ny fiainany miafina[368] ; tamin’ny raharaham-pamonjeny ampahibemaso ihany koa, niverimberina nanao fivahiniana masina tao Jerosalema Izy, namonjy ireo fety lehibe fanaon’ny Jody[369].

Loharano ôfisialy ↗