Ireo famantarana ny Fanjakan’Andriamanitra

Laharana 552 amin’ny Katesizy

Amin’ny fiombonam-piadidian’ny Roa ambin’ny folo, i Simôna Piera no mitana ny toerana voalohany[299]. Nanankinan’i Jesoa andraikitra tsy manam-paharoa izy. Noho ny fanambaràna avy amin’ny Ray no nahatonga an’i Piera niaiky hoe : “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”[300]. Tamin’izay, hoy ny nambaran’ny Tompontsika taminy : “Ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako, ary ny Vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy” (Mt 16,18). I Kristy, “Vato velona” (1 Pi 2,4), no miantoka ho an’ny Fiangonany miorina eo ambonin’i Piera, amin’ny fandresena ny hery amam-pahefan’ny fahafatesana. I Piera, noho ny finoana nekeny ampahibemaso, dia haharitra ho vatolampin’ny Fiangonana tsy voahozongozona. Hanana andraikitra hitahiry izany finoana izany tsy ho lefy izy sy hanamafy ny finoan’ireo rahalahiny[301].

Loharano ôfisialy ↗