Ireo famantarana ny Fanjakan’Andriamanitra

Laharana 549 amin’ny Katesizy

Tamin’ny nanafahana ny olona sasany tamin’ny ratsy misy eto an-tany, toy ny hanoanana[290], ny tsy fahamarinana[291], ny aretina ary ny fahafatesana[292], dia nametraka ny famantarana maha-Mesia Azy i Jesoa ; na izany aza, tsy tonga mba hanafoana ny ratsy rehetra eto an-tany Izy[293], fa mba hanafaka ny olona amin’ny fanandevozana faran’izay mahatsiravina, dia ny an’ny fahotana izany[294], izay manampontsampona amin’ny fiantsoana azy ireo ho zanak’ Andriamanitra sy mahatonga ny fanandevozana rehetra maha-olombelona ny olombelona.

Loharano ôfisialy ↗