I. Noforonin’ny Fanahy Masina …
Laharana 485 amin’ny Katesizy
Mifandray sy mifandrindra lalandava amin’ny fanirahana Zanaka, ny fanirahana ny Fanahy Masina[118]. Nirahina ny Fanahy Masina, Izy izay “Tompo loharanon’Aina”, mba hanamasina ny kibon’i Maria Virjiny sy hampitoe-jaza azy amin’ny fomba lavorary, ka hitondrany am-bohoka ny Zanaka mandrakizain’ny Ray, araka ny maha-olombelona nalaina avy amin’ny maha-olombelona an’i Maria.