Ny Fon’ny Teny tonga nofo

Laharana 478 amin’ny Katesizy

Nahalala sy nitia antsika rehetra sy ny isam-batan’olona i Jesoa nandritra ny fiainany sy ny fiadiany aina ary ny fijaliany, sy nanolo-tena ho antsika tsirairay : “Tia ahy ny Zanak’Andriamanitra ary nanolo-tena ho ahy” (Gal 2, 20). Tia antsika rehetra tamin’ny fon’olombelona Izy. Noho izany, ny Fo masin’i Jesoa notrobahin’ny fahotantsika sy ho famonjena antsika[116], “dia heverina fa famantarana sy fanehoana an’ohatra ambony tokoa … an’izany fitiavana izany, izay asehon’ilay Andriamanitra Mpanavotra lalandava amin’ ny Ray mandrakizay sy amin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka”[117].

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗