Ny sitrapo maha-olombelona an’i Kristy

Laharana 475 amin’ny Katesizy

Toy izany koa, nanambara ampahibemaso ny Fiangonana, tao amin’ny Kônsily ekiomenika fahenina, fa manana sitrapo anankiroa sy fiasa anankiroa araka fombany avy i Kristy, dia ny an’ny maha-Andriamanitra sy ny an’ny maha-olombelona, izay tsy mifanohitra fa mifarimbona, hany ka sitrak’ilay Teny tonga Nofo tamin’ny sitrapo maha-olombelona Azy amin’ny fanekena an-dRainy, izay rehetra fanapahan-kevitry ny maha-Andriamanitra Azy miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, ny amin’ny famonjena antsika[109]. Ny sitrapo maha-olombelona ananan’i Kristy dia “manaraka ny sitrapony maha-Andriamanitra, tsy manohitra izany na manakana izany amin’izay ataony, fa vao mainka aza miankina indrindra amin’izany sitrapo mahefa izany”[110].

Loharano ôfisialy ↗