Ny fanahy sy ny fahalalana maha-olombelona tao amin’i Kristy
Laharana 473 amin’ny Katesizy
Io fahalalana maha-olombelona tokoa ny Zanak’Andriamanitra io koa anefa, dia naneho ny fiainana maha-Andriamanitra ny Tenany[102]. “Ny fomba aman-toetra maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra, tsy noho ilay fomba aman-toetra, fa noho ilay firaisany amin’ny Teny, dia nahalala sy naneho tao aminy izay rehetra sahaza an’Andriamanitra”[103]. Loha laharana amin’izany ny lafiny fahalalana lalina indrindra sy mivantana eo no eo izay ananan’ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona, momba ny Rainy[104]. Nasehon’ny Zanak’Andriamanitra koa teo amin’ny fahalalana maha-olombelona Azy ny halalin-tsain’Andriamanitra nananany ka nahafahany mamantatra ny hevi-miafina ao am-pon’ny olombelona[105].