Ny fanahy sy ny fahalalana maha-olombelona tao amin’i Kristy
Laharana 471 amin’ny Katesizy
Nohamafisin’i Apollinaire de Laodicée fa ny Teny no nisolo ny fanahy na ny saina tao amin’i Kristy. Ho fanoherana io hevi-diso io, dia nanambara ampahibemaso ny Fiangonana fa ny Zanaka mandrakizay dia nizaka tao Aminy koa ny fanahy manan-tsainan’olombelona[100].