III. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa

Laharana 468 amin’ny Katesizy

Taorian’ny Kônsilin’i Chalcédoine, ny olona sasantsasany dia nihevitra ny fomba aman-toetra maha-olombelona an’i Kristy ho karazana foto-javatra momba ny olona manokana fotsiny. Ny Kônsily ekiomenika fahadimy tao Constantinople, tamin’ny taona 553, no nanambara ampahibemaso ho fanoherana azy ireo, hoe : “Tsy misy afa-tsy fisia-maha-olona tokana ihany [na olona] izany, izay i Jesoa-Kristy Tompontsika, iray amin’ny Trinite”[91]. Koa ny rehetra ao amin’ny maha-olombelona an’i Kristy àry dia tokony hampifandraisina amin’ny maha-Olona-Andriamanitra Azy ho amin’ny foto-javatra momba Azy manokana[92], ka tsy ny zava-mahagaga ihany fa ny fijaliana koa[93] sy ny fahafatesana; izany hoe : “i Jesoa-Kristy Tompontsika, Ilay nofantsihana tao amin’ny nofo, dia Andriamanitra marina tokoa, Tompon’ny Voninahitra, ary Iray amin’ny Trinite Masina”[94].

Loharano ôfisialy ↗