I. Nahoana ny Teny no tonga nofo?

Laharana 460 amin’ny Katesizy

Tonga nofo ny Teny mba hahatonga antsika ho “mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra” (2 Pi 1,4) : “Fa toy izao ny antony nahatonga olombelona ny Teny, sy nahatonga ny Zanak’Andriamanitra, ho Zanak’olona : ny mba hahatonga ny olombelona ho zanak’Andriamanitra, amin’ny fiombonana amin’ny Teny sy amin’ny fandraisana avy amin’izany ny maha-zanak’Andriamanitra”[79]. “Satria tonga olombelona ny Zanak’ Andriamanitra mba hahatonga antsika ho Andriamanitra”[80]. “Ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, mankasitraka ny handraisantsika anjara amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia nizaka tao Aminy ny fomba aman-toetrantsika, mba hahatonga Azy ho olombelona, ka hanandratra ny olombelona ho andriamanitra,”[81].

Loharano ôfisialy ↗