I. Nahoana ny Teny no tonga nofo?
Laharana 456 amin’ny Katesizy
Miara-mamaly amin’ny Fiekem-pinoana tao "Nicée-Constantinople" isika, amin’ny fiekena hoe : “Ho antsika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra ; ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy noho ny herin’ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona”[75].