III. Zanaka Lahitokan’Andriamanitra

Laharana 444 amin’ny Katesizy

Taterin’ny Evanjely amin’ny fotoana roa manetriketrika, dia ny Batemy sy ny Fiovàn-tarehin’i Kristy, ny feon’ny Ray izay manondro Azy ho ilay “Zanany malalany”[57]. Ny Tenany ihany no tondroin’i Jesoa ho “ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra” (Jo 3,16) ary hamafisiny amin’ny alalan’izany anaram-boninahitra izany ny fisiany mialoha hatramin’ny mandrakizay[58]. Nitaky ny finoana “amin’ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra tokana” (Jo 3,18) Izy. Izany fiekena kristianina izany dia efa niseho tao amin’ny hiakam-pahatairana nataon’ilay kapiteny nitsangana nanandrify an’i Jesoa teo amin’ny Hazofijaliana : “Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io!” (Mk 15,39). Ao amin’ny misterin’ny Paka ihany ny mpino no afaka hanome ny hevitra fara tampony amin’ny anaram-boninahitra hoe “Zanak’ Andriamanitra”.

Loharano ôfisialy ↗