II. Kristy
Laharana 436 amin’ny Katesizy
Ny teny hoe Kristy, dia avy teny grika nandikàna ny teny hebrio hoe “Mesia”, ka “voahosotra” no dikany. Tsy tonga anaran-tsamirerin’i Jesoa io, raha tsy tontosany an-tsakany sy an-davany ny irak’Andriamanitra, izay ambaran’io anarany io rahateo. Satria, tany Israely, dia nohosorana tamin’ny anaran’Andriamanitra ireo izay natokana ho amin’ny iraka avy Aminy. Izany no fahita teo amin’ny mpanjaka[23], teo amin’ny mpisorona[24], ary indraindray tadiavina, teo amin’ny mpaminany[25]. Ny ho ambony indrindra amin’izany dia ny zavatra manokana momba ny Mesia izay nirahin’Andriamanitra mba hanorina tanteraka ny Fanjakany[26]. Tsy maintsy ho ny Fanahin’ny Tompo[27] no hanosotra indray miaraka ny Mesia ho mpanjaka sy ho mpisorona[28] ary koa ho mpaminany[29]. I Jesoa no nanatanteraka ny fampanantenana momba ny Mesia nandrasan’i Israely amin’ny anjara raharahany telo loha dia ny maha-mpisorona, ny maha-mpaminany ary ny maha-mpanjaka.