I. Jesoa

Laharana 434 amin’ny Katesizy

Manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra Mpamonjy[18] ny Fitsanganan’ i Jesoa ho velona, satria nanomboka tamin’izay, dia ny anaran’i Jesoa no maneho ny hafenoan’ny hery ambony indrindra amin’ “ny anarana mihoatra noho ny anarana rehetra” (Filip 2,9). Atahoran’ny fanahy ratsy ny anarany[19] ary amin’ny anarany no anaovan’ny mpianatr’i Jesoa zava-mahagaga[20], satria izay rehetra angatahin’izy ireo amin’ny Ray amin’ny anarany, dia homen’ny Ray azy ireo izany[21].

Loharano ôfisialy ↗