I. Jesoa

Laharana 432 amin’ny Katesizy

Ny anarana hoe Jesoa dia midika fa ny anaran’Andriamanitra ihany no ao amin’ny tenan’ny Zanany[12] tonga olombelona, ho fanavotana an’izao tontolo izao amin’ny fahotana, sady ho fanavotana mandrakizay. Jesoa no anaran’ Andriamanitra izay hany mitondra famonjena[13], ka nanomboka tamin’izay dia azon’ny rehetra antsoina Izy, satria miombom-piainana amin’ny olombelona rehetra tamin’ny Fahatongavana ho nofo[14], hany ka “tsy misy eto ambanin’ny lanitra anaran-kafa nomena ny olona, hahazoantsika famonjena” (Asa 4,12)[15].

Loharano ôfisialy ↗