Ny votoatin’ny katesezy : i Kristy

Laharana 426 amin’ny Katesizy

“Zava-dehibe tsy azo avela amin’ny votoatin’ny katesezy ny ahitantsika Olona iray, dia i Jesoa avy any Nazareta, Zanaka Lahitokan’ny Ray (…), izay nijaly sy maty ho antsika, ary nitsangan-ko velona izao, ka miara-miaina amintsika mandrakizay (…). Ny hoe mampianatra katesizy (…) dia : ny mampibaribary ao amin’ny Tenan’i Kristy ny fandaharana rehetra mandrakizay tao amin’Andriamanitra, ny mikatsaka hahazo ny hevitra ambaran’ireo fihetsika sy tenin’i Kristy ary ireo famantarana nataony”[5]. Ny tarigetran’ny katesezy dia ny “mampiombona amin’i Jesoa-Kristy : Izy irery no afaka mitondra amin’ny fitiavan’ny Ray ao amin’ny Fanahy sy mampandray anjara antsika amin’ny fiainan’ny Trinite Masina”[6].

Loharano ôfisialy ↗