IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”

Laharana 421 amin’ny Katesizy

“Ity izao tontolo izao ity, amin’ny finoana kristianina, dia naorina sy natao haharitra eo ambany fitahirizan’ny fitiavan’ny Mpahary ; marina, fa lavo teo ambany fanandevozan’ny fahotana izy, kanefa  nomontsanin’i Kristy tamin’ny Hazofijaliany sy ny Fitsanganany ho velona, ny fahefan’ ilay Mpisompatra, ary nafahany tamin’izany izao tontolo izao”[327].

Loharano ôfisialy ↗