IV. Fomba ahoana no hitenenana momba an’Andriamanitra?
Laharana 42 amin’ny Katesizy
Mihoatra ambony dia ambony noho ny zavaboary rehetra ny fahambonian’ Andriamanitra. Koa tsy maintsy diovina tsy an-kijanona ny fitenintsika izay avy amin’ny manam-petra, avy amin’ny kisarisary, avy amin’ny tsy tena lavorary, mba tsy hampifangaroana an’Andriamanitra “tsy hay ambara, tsy takatry ny saina, tsy hitan’ny maso, tsy tsapan’ny tanana”[15] amin’ny fomba fanehoantsika olombelona Azy. Tsy hahatakatra na oviana na oviana ny misterin’Andriamanitra ny fitenintsika olombelona.